Ny mofo atolotry ny pretra

Ny mofo atolotry ny pretra
Ovao ho tenan’i Jesoa Mpamonjy
Ankasitraho ny tolotray
Fa entinay ho anao, ry Ray
Fa entinay mitsaoka Anao
 
Ity divay sy rano kely
Ataovy tonga ‘lay ra sarobidy
Ankasitraho ny tolotray
Fa entinay ho anao, ry Ray
Fa entinay misaotra Anao
 
Atolotray Anao ry Ray
‘Lay zanak’ondry manala ny ota
Ankasitraho ny tolotray
Fa entinay ho anao, ry Ray
Fa entinay mifona re
 
Ary ity andronay anio
Atolotray ho andron’i Jesoa
Ankasitraho ny tolotray
Fa entinay ho anao, ry Ray
Fa entinay miangavy re !

Nampiditra ari.malala
Sokajy Fanolorana
Fihirana Dera p. 73
Fihirana Hasina p. 173
Fihirana Vaovao p. 363
Vavaka sy Hira p. 728
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.033