Ahirato re 'zany masoko, Tompo ô

1. Ahirato re 'zany masoko, Tompo ô
Hahitany anao (2)
Ao amin'ireo rahalahiko ô,
Ahirato izany masoko!

2. Mba velaro koa 'tony tanako, Tompo ô
Handraisany anao (2)
R'hefa mampiantrano ireo havako.
Velaro itony tanako!

3. Mba vahao re 'zato vavako, Tompo ô
Hitoriany soa (2)
Ny fahasoavanao am'ireo very toky
Vahao izato vavako!

4. Mba sokafy koa ity foko, Tompo ô
Hampitany indrindra (2)
Ny fitiavanao, ilay fitiavan-dRay.
Sokafy re 'ty foko!

Nampiditra ari.malala
Ankalazao ny Tompo p. 285
Fihirana Hasina p. 372
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0801