Averina eto indray ny toky napetratsika

Averina eto indray ny toky napetratsika ;
Mandà an' i Satàna va ianareo ? Mandà !
Ny asany rehetra mamoafady ? Mandà !
Ny fireharehany manaraka azy ? Mandà !
Mandà va ianareo ?
Mandà, mandà, mandà izahay (indroa)

1. Moa mino an'Andriamanitra Ray mahefa a
Ny zavatra rehetra
Na miaina na tsy miaina,
Ny lanitra sy ny tany,
Na ny hita maso na ny tsy hita va ianareo a ?

Zahay miaiky sy mankatò, fa tena marina tokoa,
Marina e, marina a,
Marina a, marina a, ka mino izahay. (indroa)

2. Moa mino an'i Jesoa Tompo Zanak'Andriamanitra a
'Zay teraka sy nijaly,
Nitsangana tamin'ny maty,
Niakatra any an-danitra,
Fa mbola ho avy hitsara antsika va ianareo a ?

3. Moa mino ny Fanahy Masina sy ny Eglizy a,
Ny fiombonan'ny Olomasina,
Ny fanalana ny ota,
Ny fitsanganana amin'ny maty
Ary ny fiainana any an-koatra va ianareo a ?

Nampiditra tywa68
Fihirana Dera p. 146
Fihirana Hasina p. 158
Fihirana Vaovao p. 122
Vavaka sy Hira p. 720
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0968