'Zaho mino an'Andriamanitra Ray, Zanaka sy Fanahy

'Zaho mino an'Andriamanitra Ray, Zanaka sy Fanahy
Andriamanitra tokana, tokana Olona telo.
 
'Zaho mino an'Andriamanitra
Ray mahefa be fitiavana,
Nanao ny tany aman-danitra e,
Na ny hita maso na ny tsy hita,
'Zaho mino an'Andriamanitra.
 
'Zaho mino an'Jesoa Mpamonjy
Naterak'i Maria Virjiny,
Nijaly sy maty ho antsika e,
Fa nitsangana tamin'ny maty ô,
Ary niakatra any amin'ny Ray.
 
'Zaho mino ny Fanahy Masina
Avy amin'ny Ray sy ny Zanaka,
Sy Loharanon'aina e,
Mpanamasina ny fanahy ô,
Mendrika haja sy voninahitra.
 
'Zaho mino ny Eglizy masina
'Zay manerana ny tany,
'Zaho mino ny batemy tokana e,
'Zay manala ny fahotana ô
'Zaho miandry ny fiainan-ko avy.

Nampiditra tywa68
p. 353
Fihirana Dera p. 268
Fihirana Hasina p. 161
Vavaka sy Hira p. 713
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0928