Mino aho, Tompo ô, Andriamanitra tokana

Mino aho mino aho, Tompo ô, Andriamanitra tokana

'1. 'Zaho mino Ray Zanahary ambony
Zay nanao ny tany aman-danitra koa
Sy ireo zavatra rehetra misy eo aminy

2. 'Zaho mino an’i Jesoa zanaky ny Ray
Naka nofo tokoa dia nidina tetý
Naterak’i Maria Virjiny mba hamonjy antsika

3. 'Zaho mino an’i Jesoa nampijaliana sy maty
Tafatsangan-ko velona afaka hateloana
Niakatra any an-danitra Izy eo ankavanan’ny Ray

4. 'Zaho mino ny herin’ny Fanahy masina
'Zaho mino ny Eglizy naorin’i Kristy
Ny batemy tokana manala ny ota

Nampiditra ari.malala
Fihirana Dera p. 266
Fihirana Hasina p. 160
Fihirana Vaovao p. 351
Vavaka sy Hira p. 722
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0089