Ianao no isaoranay, ry Ray (Victoire Rasoamanarivo)

Fiv : Ianao no isaoranay ry Ray
Ianao no namonjy anay, Ianao ;
Victoire Rasoamanarivo anie
Hasandratrao ho reharehanay.

1 - Kristy ô, midera Anao e
Kristy
ô, notiavinao ny tanindrazanay,
Tanterakao ny famonjena anay.

2 - Victoire nantsoinao e
Hiaro ny voatsinapy izay nafafinao
Hanjary hazo misandrahaka.

3 - Fa izy nijoro hatrany
Nijaly, nisotro ny "aleoko maty"
Toy izay hiala amin'ny finoana.

4 - Victoire nijaly mafy
Nitandro ny hasin'ny fanambadiana
Vavolombelon'ny fitiavana.

5 - Kristy ô, tadidinao e
Victoire nazoto hamangy sy handray Anao
Mba hamirapiratan'ny voninahitrao.

6 - Victoire ô, tsaroanay e
Ny soa nafafinao tamin'ny madinika
Natombokao ka hotohizanay.

7 - Maria ô, ry Reninay e
Ianao notiavin-Rasoamanarivo
Ka asehoy ny voninahiny.

Nampiditra pissoa
Sokajy Fisaorana - Olomasina
Fihirana Hasina p. 345
Fihirana Vaovao p. 512
Karine Dera p. 540
Vavaka sy Hira p. 787
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2675