Ry Tompo Andriamanitry ny lanitra, mba ho iray anie izy rehetra

Fiv : Ry Tompo Andriamanitry ny lanitra ô,
Mba ho iray anie izy rehetra.

1 - Ny Tompo no manangona ny zanany rehetra
Izay nisara-bazana noho ny fahotana.

2 - Tadidinay tokoa anie ny hafatr'i Kristy :
Batemy iray ihany ary Tompo iray.

3 - Ianao no Ray iombonana ao amin'i Kristy,
Fa tsy tanterakay e ny finoana iray.

4 - Ilay vala tokana voalazan'i Kristy
Tianay ho lavorary hanambara Anao.

5 - Izay tsy vitanay anie ho vitan'i Kristy
Fanahy iray no arotsany hampiray anay.

Nampiditra pissoa
Sokajy Samihafa
Fihirana Dera p. 156
Fihirana Hasina p. 129
Fihirana Vaovao p. 246
Vavaka sy Hira p. 652
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0194