Izaho no fananganan-ko velona

Izaho no fananganan-ko velona: (indroa)
Izay mino Ahy na maty aza, mbola ho velona, )
Izay mino Ahy, mbola ho velona.                     ) (indroa) 
(Jn. 11, 25)

(Iz. 38, 10-20)

1 - Vao misasaka ve ny fiainako
  Dia ho faty sahady, hoy aho!
2 Ka ny androko sisa rehetra
Dia ho very sy hafoiko avokoa.

3 Tsy hahita ny Tompo intsony,
 Raha atý amin'ny tanin'ny velona.
4 Tsy hahita na iza na iza
 Amin'ny mponina ambonin'ny tany.

5 Ny fonenako indro hiongotra
 Toy ny lain'ireo mpiandry ondry,
6 Fa ny fiainana mba notenomiko,
 Hotapahina ho afaka ny haraka.

7 Foinao aho andro aman'alina,
 Mihararetra aho mandra-maraina;
8 Fa sahala amy toa misy liona
Manamongo ny taolako rehetra.

9 Mitaraina aho toa sidintsidina,
 Mitoloko aho toa voromailala.
10 Eny viza-miandrandra ny masoko,
 Tompo o, iantrao fa mijaly!

11 Ary inona anefa no hambarako?
 Fa Ianao no nanao an'izao;
12 Eny hizorako ihany ny androko,
 Na mangidy aza izany fiainako.

13 Fa ny foko mitoky aminao,
Ka sitrano aho, Tompo, velomy;
14 Dia hiova ho soa ny anjarako,
 Na mangidy aza izay efa nentiko.

15 Aza avela ho faty ny aiko,
 Aza atao eo imaso ny otako.
16 Tsy ny maty na oviana na oviana
 Na ny lasa no afa-midera.

17 Fa satria ireo mitsitra any an-davaka
 Tsy hanantena ny fahamarinanao,
18 Fa ny velona tahaka ahy izao
 No midera sy misaotra anao.

19 Ka ny ray hampiseho amin-janany
 Fa dia marina tokoa ianao.
20 Koa avia, ry Tompo, avia,
 Mba vonjeo aho re ka ampio.

21 'Ndeha hisaotra ny Ray tia antsika,
 Raha tsy izy tsy velona isika;
22 Fa nomeny fandresena ny Zanany,
 Dia nirahiny koa ny fanahiny.

Nampiditra pissoa
Ankalazao ny Tompo p. 111
Fihirana Dera p. 181
Fihirana Hasina p. 137
Fihirana Vaovao p. 284
Vavaka sy Hira p. 401
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0539