Sasinkira amin'ny Tononkiran'i Zakaria

(Sasin-kira na Fiverenana miaraka amin'ny tononkiran'i Zakaria. Jereo eto ny andininy)

Aza matahotra ianareo

Aza matahotra ianareo :
Mitady an'i Jesoa ianareo,
Jesoa 'lay Nazareana,
'Kay nofantsihana iny e !
Efa nitsangan-ko velona Izy
Ka tsy mba eto intsony
Aleloia.

 

Efa voarotsaka

Efa voarotsaka ao am-pontsika
Tamin'ny Fanahy Masina nomena antsika
Ny Fitiavana.

 

Nilaozan'ny mpianatra

Nilaozan'ny mpianatra izao rehetra izao
Ka lasa izy ireo nanara-dia ny Tompo.



'Reo 'Zay natsoiny

'Reo zay nantsoiny dia nohamarininy,
'Reo nohamarininy nomeny voninahitra.

 

Tsy menatra ny Evanjely aho

Tsy menatra ny Evanjely aho,
Satria herin'Andriamanitra izany
Ho famonjena izay rehetra mino.

 

 

Nampiditra pissoa
Sokajy Samihafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1407