Tonga eto izahay

1 - Tonga eto izahay,
Tonga eto anilanao,
Ry Jesoa Tompo tia anay
Tia anay zandrinao.
 
Fiv :
Mamela ny helokay
Jesoa Kristy tsara fo,
Ekenay ny didinao,
Ka hotandremanay avokoa.
 
2 - Marobe, ry Jesoa ô,
Tsy voaisa ny fahotana
Nanoheranay Anao
Tena mampalahelo.
 
3 - Nefa izao, ry Jesoa ô
Manampia anay Ianao,
Mba hiova izahay
Amin'ny toetranay.
 
4 - Tantanao, ry Jesoa ô
Fa malemy ny zandrinao ;
Te hanara-dia Anao
Eto sy any an-koatra.
 

Nampiditra pissoa
Sokajy Fifonana - Karemy
Fihirana Dera p. 54
Fihirana Hasina p. 71
Vavaka sy Hira p. 510
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009