Kristianina, mihevera

1 - Kristianina, mihevera - ny nanjó ny Tompontsika,
Tomanio ny Ra Masina - nanavotany antsika.
Fa ny hadisoantsika - nanariany ny Ainy ;
Koa manaraha Azy isika - hiara-maty Aminy.
 
2 - I Jesoa mivavaka ela - ao an-tany mangingina ;
Ady mafy manjo Azy - ka ny fony toa malaina.
Fa maniry te ho faty - ary toa rera-po indray ;
Ny ho faty nofidiny - hanome aina ho antsika.
 
3 - I Jodasy manoroka Azy - ka nafatony i Jesoa,
Entina Izy hovonoina - ka natao ho solontsika
Mba Jodasy koa ny mpanota - sahy manao Komonio
Amin'ny fo misy ratsy - tsy voalaza amin'ny Ray.
 
4 - Izy entin-kohelohina - amin'ny mpisorom-be,
'Zay malain-kanaiky Azy - ho Andriamanitsika.
Fa i Jesoa mbola hitsara - 'zay mitsara Azy rehetra ;
Ho renao ny fitsarany - ka tsy handa ianao.
 
5 - Izy miasa hamonjy - fa ompan'izay vonjeny,
Ary i Piera mandà Azy - manao hoe "tsy fantatro".
Fa i Jesoa mitodika azy - amin'ny maso miantra,
Ka manisy nenin-tsara - sy fikasana ao am-pony.
 
6 - Loza indray ny manjó Azy - tao an-tranon'i Pilaty,
Ny vahoaka manolotra Azy - hatakalo an'i Barabasy :
Ratsy izany toetra izany - mahafoy an'i Jesoa,
Manameloka ny marina - ka mandefa ny jiolahy.
 
7 - I Jesoa alàna  akanjo, ka nafoy hampijaliana:
 Indro ilay Ondry madio, lavon'ny kapoka be.
 Mitsahara, ry mpandoza, fa isika ratsy fo;
 Mba hanavotra ny meloka, izy no mandeha ra.

8 - Tsilobe mifantsi-dalina - ao an-kandrin'i Jesoa ;
Izy lohantsika menatra - fa manaram-po isika.
Izy ory sy mijaly - amin'ny Ainy rehetra ;
Ary isika tsy maharitra - fijaliana kely foana.

9 - Izy mandroso milanja - hazo mavesatra be.
Teo ambony Kalvery - Izy no milaza hoe :
"Ry Raiko, mba iantrao - 'zay manala ny aiko"
'Zay no famaly tsara - 'zay manao ratsy antsika.
 
10 - Maty i Jesoa Zanahary, taitra izao tontolo izao:
 Mihorohoro ny tany, ny anjely mitaraina.
 Ary isika va tsy taitra amin'izao rofy izao,
 Moa haditra fo isika, sy ho donto toa vato?

Nampiditra pissoa
Sokajy Karemy
Fihirana Dera p. 110
Fihirana Hasina p. 557
Fihirana Vaovao p. 394
Vavaka sy Hira p. 684
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0193