Matoa aho nijaly sy maty

Fiv : Matoa aho nijaly sy maty
   Izaho no nanolotra ny aiko,
   Matoa aho nanolotra ny aiko,
   Izany no fara-fitiavako.

1 - Fa alina ny andro, manakaiky ny fotoana,
   Dia indro fa hatolotra eo an-tanan'ny mpanota
   I Jesoa 'lay Mpampianatra nikoizan'i Satana.
   I Jesoa 'lay Mpampianatra nikoizan'i Satana.

2 - Fa alina ny andro, manakaiky ny fotoana,
   Ka indro fa hatolotra eo an-tanan'izy Jody
   I Jesoa 'lay Mesia, 'lay Mpanjaka nantenainy.
   I Jesoa 'lay Mesia, 'lay Mpanjaka nantenainy.

3 - Fa alina ny andro, manakaiky ny fotoana,
   Ka indro fa hatolotra eo an-tanan'i Pilaty
   Ilay Nazareana, lehilahy 'zay tsara laza.
   Ilay Nazareana, lehilahy 'zay tsara laza.

4 - Fa alina ny andro ary tonga ny fotoana,
   Ka indro fa nasandratra eo imason'ny tontolo
   I Jesoa 'lay Mpanjaka, 'lay avy any Nazareta.
   I Jesoa 'lay Mpanjaka, 'lay avy any Nazareta.

5 - Maraina izao ny andro ary tonga ny fotoana,
   Ka indro fa nasandratra eo imason' Izy Ray
   I Jesoa 'lay nandresy ka nandray ny fahefana.
   I Jesoa 'lay nandresy ka nandray ny fahefana.

Nampiditra pissoa
Sokajy Karemy
Ankalazao ny Tompo p. 154
Fihirana Dera p. 215
Fihirana Hasina p. 67
Fihirana Vaovao p. 396
Vavaka sy Hira p. 685
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134