Mitsangàna ka banjino

(Heb 12 : 1 - 4)

Sas :

Mitsangàna ka banjìno
Ilay andry ijoroan'ny finoantsika.


1 - Koa satria manko maro ny olona
    'Zay mitsangana ho vavolombelona :
    Akipaho re 'zay enta-mavesatra,
    Halaviro ny ota mandrendrika.
    Mahareta àry isika miezaka
    Mba handresy amin'ny ady hatrehina !

2 - Mibanjìna ilay ohatra velona,
    Mampitombo finoana hivelatra ;
    'Lay nahazo nifidy hafaliana
    Nefa kosa nanaiky hofantsihana ;
    Tsy nanaiky handositra ny henatra !
    Kanjo havanan'ny Ray no mipetraka.

3 - Mba hevero 'lay niaritra ny enjika
    Nokotrehin'ireo olo-meloka,
    Mba hevero 'zay efa niaretany
    Am'izay ianareo tsy ho ketraka ;
    Tsisy ranareo mbola raraka
    Tamin'ny ady manohitra ny heloka.

Nampiditra pissoa
Sokajy Karemy
Ankalazao ny Tompo p. 195
Fihirana Dera p. 235
Fihirana Hasina p. 35
Fihirana Vaovao p. 215
Vavaka sy Hira p. 449
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0087