Nandresy ny Tompontsika

1. Nandresy ny Tompontsika
Mifalia isika, mihirà ny fandreseny
Nandresy ny Tompontsika
Maty ihany fa velona indray.

Ka ny asa be nataon'i Jesoa
Hamonjena antsika, natao ho levon' tokoa ;
Fa ny fasam-bao dia nialany,
Fa izy no Tompon'ny aina tokoa.  

2. Mba marina ny teninao,
Ry Jesoa Tomponay, fa tanteraka avokoa ;
Mba marina ny teninao
Manambara ny fivavahanao.

Indro ianao, Jesoa Tomponay,
Hateloana izao, araka ny teninao,
Tafatsangana indray Ianao, Jesoa,
Koa inoanay ny teninao.  

3. Jesoa, ny fandresenao
Mahafaly anay, mampatoky ny fonay ;
Jesoa, ny fandresenao
No fahitanay koa fandresena.

Jesoa zokinay, efa resinao
Sy nafatotrao ny herin'ny afobe ;
'zahay zandrinao mba hitsangana koa
Sy hidera anao mandrakizay.  

4. Maria, sambatra ianao
Ny anjely rehetra miara-tsambatra aminao ;
Maria, sambatra ianao :
Efa velona indray ny Zanakao.

Ny nandeferany ny hafatesana
No nanavotany ny olombelona rehetra ;
Tsy ho faty intsony Jesoa Zanakao, 
Fa ho velona mandrakizay.

Nampiditra tywa68
Sokajy Paka
Fihirana Dera p. 116
Fihirana Hasina p. 75
Vavaka sy Hira p. 696
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091