Tamin'ny andro voalohany

1 - Tamin'ny andro voalohany e,
Dia lasa maraina koa,
Lasa nankany amin'ny fasana.

Lasa nankany amin'ny fasana i Maria Madelenina ;

Kanjo indro tsy nampoiziny e,
Fa nikipaka teo ny vato
Nanarona ny atin'ny fasana.

Nankaiza ny Tompo no midanadana ny fasana ? (in-2)

Dia lasa i Maria re e e,
Lasa nankany amin'ny mpianatra
Nilaza ny zavatra hitany :

" Nalain'olona, ho aho i Jesoa Tompo Ka tsy fantatray izay nanaovany azy a !" ( in- 2)

Fa nahoana re
No fonenan'ny maty a
No itadiavana
Ilay Tompon'ny aina ?
Aza hadino re
Fa ny voa nafafy tsy maintsy maty,
Raha tsy izany mitoetra eny foana
Tsy hahita ny fahavelomana a.  

2 - Izao no andro fitsanganana e
Andresena ny fijaliana
Tambin'ny ota sy ny haizina.

Tambin'ny ota sy ny haizina ny fahorian'ny olombelona !

Izao no andro fitsanganana e
Amelomana ny mpanota
Matory amin'ny fahafatesana.

Tadiavo ny Tompo fa izy no lalan'ny fiainana ! (in-2)

Izao no andro fitsanganana e
Santatr'ilay fampakarana
ho any amin'ny tanin'ny velona.

Raha miara-maty amin'ny Jesoa Tompo, Hitsangana indray izay manaraka azy a ( In -2)

Efa velona
I Jesoa Tompo,
Fa nandresy, ho aho,
I Jesoa Tompo,
I Jesoa Tompo re
Efa voasoratra tamin'ny boky
Fa hanala ny tany tontolo
Amin'ny gejan'ny fahafatesana a.

Tamin'ny andro voalohany e,
Ilay nijaly ka novonoina,
Efa nitsangan-ko velona ! ( in-2)

Nampiditra pissoa
Sokajy Paka
Ankalazao ny Tompo p. 407
Fihirana Hasina p. 360
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0496