O ry alina tomaratra soa, sady alina mitondra haravoana - Exultet!

Ô, ry alina tomaratra soa
Sady alina mitondra haravoana,
Ô, ry alina tsy manan-tsahala
Sady alina masina indrindra.
   Ilay Pakan’ny Tompo nahary,
   Ilay Pakan’i Jesoa Mpamonjy,
   Ilay Pakan’ny fiainana an-tany.
Ny olon-drehetra midera, miantsa,
Ny anjely alinalina velon-koràna,
Ny tany aman-danitra samy mihoby ô!

1.- Tamin’iny alina iny :
‘Lay Mpahary nampiposaka hazavana soa mamiratra ;
Andriamanitra namorona ny zava-manana aina ;
Izy Ray namolavola ny taranak’olombelona.
Mba hizaka ny voaary manontolo,
Sy hitondra ‘zany feony

Hiderana an’Andriamanitra Mahefa.

2.- Tamin’iny alina iny :
Raha nanaiky i Abrahama mba hisorona ny zanany
Dia nanohana azy mafy ny Anjelin’andriamanitra,
Ary ondrilahy matavy no napetrany ho solony,
Nankato tanteraka izy sady nino :
Fa na maty aza Isaaka,

Mahatsangana azy ho velona ny Ray.

3.- Tamin’iny alina iny :
Dia ny Zanak’i Israely sesitany tany Ejipta,
No nandao ity firenena nitondrany fahoriana,
‘Lay taranaka voafidy izay nijaly nandevozina.
Fa mba hamonjen’ny Ray antsika izao :
Nandevozim-pahotana,
Dia nomeny ho fanavotana ny Zanany.

4.- Ô, ry Ran’ny zanak’ondry ô !
Raha naripaky ny Anjely ireo matoan’i Ejipta,
Ka natentina an-tolàn’ny varavarana ianao,
Dia voaaro sy voavonjy ny taranak’i Israely.
‘Zahay kosa, eny mendrika ho faty,
Noho ny ota vitanay...

Fa i Kristy namonjy anay tamin’ny Ràny.

5.- Ô, ry otan’i Adama !
Nananjara lahy ianao tamin’ny heloka rehetra
Fa voaonitr’Ilay Zanak’Andriamanitra Mpanavotra,
Dia ianao no nahazoanay rehetra ny Mpamonjy.
Ka dia mody hafaliana ny alahelo,
Sy diovina ny ota ;

Koa mihaona izao ny tany sy ny lanitra.

6.- Ô, ry rano niampitàna !
E nizara roa ianao ary maina toa tanety
Mba hizoran’ny vahoaka izay navotana fahiny,
Notarihin’ilay rahona mazava manjopiaka
‘Zahay kosa, tamin’ny Ranon’ny Batemy,
No nandray ny famonjena,
Hahatonga anay ho zanak’Andriamanitra.

7.- Ô, Ianao ry Alina iny !
E, nahita Ilay nijaly nofantsihana ianao :
Ilay maty fa nandresy ka nitsangana ho velona ;
Eny, sambatra ianao, amin’ny alina rehetra !
Ô, ry Alina tsilovin-jiro izao !
Mankalaza anao izahay,

Noho ilay Kristy Fahazavana.

8.- Ô, ry alina handrasana !
Eny, ho avy toa mpampakatra i Kristy Jesoa,
Amin’ilay mamatonalina tsy hampoizina hiverenany,
Hanafoana ranomaso, fahoriana mbamin’ny haizina,
Miaraka aminy izahay ankehitriny,
Mba higoka dieny izao

Ny hasambarana amin’ny Fanasan’ny Ray.

Nampiditra oliana
Sokajy Paka
Antsao ny Tompo p. 203
Fihirana Hasina p. 827
Karine Dera p. 481
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105