FET 100 taona

1- Fa hiroso hatrany ka tsy hihemotra
hanamafy ny toky izay natao
Ireo ezaka sy dingana vitako
dia noho Ianao Jesoa
Manaiky ‘zahay fa taninketsanao,
ka vonona ho Anao

Hatramin’izay ka hatramin’izao
dia isaoranay Anao
Noho ny fitsimbinanao
nijoro hatrany ty fikambananay

FET ! ‘Zay ilay tanora tia vavaka
FET ! Mazoto mandray ny Eokaristia
FET ! Manabe ho olom-banona aaa
FET ! Zoky sy zandry tia fiombonana

2- Mivavaka sy mandray anao Jesoa,
mahafoy tena ho Apostoly
Ny teninao no hivelomanay,
zarainay amin’ireo namanay
Ny fiainanao no fiainanay,
ka hiray aina ao aminao

Hatramin’izay ka hatramin’izao
dia isaoranay Anao
Noho ny fitsimbinanao
nijoro hatrany ty fikambananay

3- Ivon’ny fiainanay AFAFI-FET dia ny Eokaristia
Tanjom-panabeazana iombonana,
Ianao Jesoa no mofom-piainanay
‘Reo olomasina mpiaro anay, fitaratra ho anay

Nampiditra louvamifaly1
Sokajy Tanora
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1178