Mahaiza àry (ary) mankasitraka ‘zay rehetra nataony anao

Mahaiza àry mankasitraka ‘zay rehetra nataony anao,
Mahaiza àry mankatelina ny fitiavany tsy mandao,
Mahaiza àry moa midera sy misaotra ilay Nahary,
Meteza ho velon-kira fa ny fitiavany lavorary,
Meteza hanao lamako ka ataovy manakoako.

1. Ny masoandro miposaka mibaliaka hazavana, ie! ...
    Ny ora-miraraka manamando ny tany, iô! ...
    Ny rivo-mitsoka mamelona aina a, ie! ...
    Irony habakabaka izay mahalasa saina!

2. Ny voro-manidina misidina ambony, ie! ...
    Ny karazan-trondro an-dranomasina irony, iô! ...
    Ny biby fiompy sy ny biby any an’ala, ie! ...
    Ny zava-maniry tsy manan-tsahala!

3. Ny Lahitokany sahiny nomena, ie! ...
    Ny ainy no atolony ho famonjena, iô! ...
    Fanahy iray zao no maha-zanaka antsika, ie! ...
    Ny Teniny masina, lova sarobidy!

Mahaiza àry mankasitraka ‘zay rehetra nataony anao,
Mahaiza àry mankatelina ny fitiavany tsy mandao,
Mahaiza àry moa midera sy misaotra ilay Nahary,
Meteza ho velon-kira fa ny fitiavany lavorary,
Meteza hanao lamako ka ataovy manakoako.

Mahaiza e! mankasitraka!
Mahaiza e! mankatelina!

Tonony sy feony: Jaonah HERIMALALA S.J.

Nampiditra louvamifaly1
Sokajy Fisaorana
Fihirana Hasina p. 881
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009