Mpamafy fiadanana sy fanantenana

Fanevan'ny fitsidihan'ny Papa Fransoa eto Madagasikara (septambra. 2019)

Iraky ny Ray sady Apostolin’i Jesoa,
Dimbin’i Piera, Ianao ry Ray Masinay ô
Vatolampy iorenan’ny Eglizy eto an-tany
Mpitana ny fanalahidin’ny lanitra
Nirahina hitory eran’ny vazan-tany
Hampiray ny andian’ondrin’i Jesoa
Hankahery ireo rahalahy sy anabavy
Hiorina amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy  

Ray Masina Fransoa ô
Faly izahay mandray anao
Hamafy ao am-ponay ny fiadanana
Fanantenana vaovao no manentana anay
Ka hanorina ny ho avy ao amin’i Jesoa
Ilay taratra sy oha-piainana ho anay
Midera anao izahay, misaotra re
Mankasitraka anao izahay Tompo ô
Fa nanome Ray Masina mpamafy hafaliana
Fanantenana sy fiadanana
 

Apôstôly tsy mahalala sasatra
Mivoaka, mitety ireo vazan-tany
Ka manatona ireo eny anjorom-bala
Miaro sy miahy ny mahantra
Manolo-tanana, hampisokatra ny fo
Mandrava ny rindrin’ny fiolonolonana
Mampiray ny olombelona amin’i Jesoa
Mpamafy fiadanana sy fanantenana  

Misaotra anao, ry Ray, Zanaka, Fanahy
Fa notiavinao ity Nosy malalanay
Mandray ny Irakao, hampihavana - hampiray.
Ny tananao anie hambomba azy hatrany.
Ry Jesoa fiainanay ô, tolory tanana izahay.
Fa manonja ny rano, mahery ny tafiotra
Tsy ho rendrika izahay raha miaraka aminao.
Fa matoky handresy an’ilay ratsy

Nampiditra j_rahasa
Sokajy Samihafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107