Ny tanantsika izay mifandray

1. Ny tanantsika izay mifandray
   Midika fa havako ianao e,
   Ny tanantsika izay mifandray
   Midika fa mpihavana isika,

Tsaroanay Jesoa ô! iny hafatrao iny e!
“Fiadanana no avelako ho anareo!”
Tsaroana Jesoa ô! iny teninao iny!
“Fiadanana no homeko anareo!”

Fiverenana:
Asainy isika hifankatia e! e! (hifankatia(x3))
Asainy isika mba ho masina! (masina(x3))
Asainy isika ho lavorary!
Fa homba antsika ny fiadanany

2. Ny tanantsika izay mifandray
   Midika fa roso ny dia,
   Ny tanantsika izay mifandray
   Midika fa tsa mipody izy ity!

Tsaroanay Jesoa ô! iny hafatrao iny e!
“Izaho no lalana!”
Tsaroana Jesoa ô! iny teninao iny!
“Fahamarinana sy fiainana!”

Tonony sy feony: Jaonah HERIMALALA S.J
Mpihira: MIANTSA MAGIS

Nampiditra louvamifaly1
Sokajy Fihavanana
Fihirana Hasina p. 882
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091