Irahin'ny Tompo ny Fanahy Masina: velombelona ny tany

Irahin'ny Tompo ny Fanahy Masina:
Velombelona ny tany, aleloia.

1. Isaory ny Tompo, ry fanahiko:
avo indrindra ianao, ry Tompo Andriamanitro.
Drey ny hamaroan'ny asanao, ry Tompo,
henika ny harenao ny tany.

2. Anafenanao tava ny voaarinao, malahelo,
alànao fofon'aina, modimandry.
Anirahanao ny fanahinao, dia velona,
ka mihavao ny endriky ny tany.

3. Ho mandrakizay anie ny voninahitry ny Tompo,
ny Tompo anie hifaly amin'ny asany.
Ho tonga eo anatrehany anie ny vetsoko,
dia izaho izay mifaly ao amin'ny Tompo.

Nampiditra j_rahasa
Sokajy Salamo
Fihirana Vaovao p. 157
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0553