Izay manara-dia anao, ry Tompo, manome voninahitra ny Rainao

Izay manara-dia anao, ry Tompo,
Manome voninahitra ny Rainao.

1. Ny Tompo Andriamanitra miantso ny tany tontolo,
hatramin'ny iposahan'ny andro ka hatramin'ny ilentehany:
"Tsy ny fanatitra atolotrao no anakianako anao,
na ny sorona dorana izay anoloako lalandava".

2. Raha noana aho, tsy hilaza aminao,
fa ahy izao tontolo izao sy izay mameno azy.
Moa aho homana nofon'ombilahy,
sa misotro ran'osilahy?

3. Ny saotra no ataovy fanatitra ho an'Andriamanitra,
ny voadinao no efao ho an'ny Avo indrindra.
Dia antsoy aho amin'ny andro fahoriana,
fa hanafaka anao, ary ianao hisaotra ahy.

Nampiditra j_rahasa
Sokajy Salamo
Fihirana Vaovao p. 172
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091