Andriananahary ô, mba tsinjovy ity vahoaka manoloana

Andriananahary ô, (Tompo Andriamanitra ô)
Mba tsinjovy ity vahoaka manoloana:
Vory amim-panajana (sy fitiavana)
Hanolotra fanatitra aminao.
Azafady re mba raiso
Fa atolotray an-kafaliana,
Azafady re mba raiso
Fa mba tolotra avy amin-janakao.
 
1 Ny andro iainanay tontolo amin'ity tany ity
 Isaoranay anao nahary: mamy aminay ny aina.
 
2 Na rariny aza no itsembohanay vao mahita izay hohanina,
 Mba hamasino ny hasasaranay ho famonjena anay.
 
3 Ny fonay be ahiahy 'zay mitady fiadanana,
 Indro atolotray anao koa: fenoy fanantenana.
 

Nampiditra ari.malala
Sokajy Fanolorana
Fihirana Dera p. 78
Fihirana Hasina p. 168
Fihirana Vaovao p. 364
Vavaka sy Hira p. 729
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093