Mihobia, miantsà an'Andriamanitra, e ry vahoakany

Mihobia, miantsà an'Andriamanitra,
e ry vahoakany.

Ry vahoaka rehetra, mitehafa tanana
Miderà an'Andriamanitra amin'ny hobim-pifaliana!

Fa mahatahotra ny Tompo avo indrindra,
Mpanjaka lehibe amin'ny tany tontolo!

Vahoaka maro, ataony ambaninay;
fokom-pirenena ambany tongotray!

Izahay nofidiny ho lovany
i Jakoba olon-tiany, ho reharehany.

Andriamanitra miakatra, arahina hoby
ny Tompo misandratra amim-peon'anjomara.

Antsao Andriamanitra! Antsao!
Antsao ny Mpanjakantsika! Antsao!

Fa mpanjakan'ny tany tontolo Andriamanitra:
koa antsao amim-pirindrana!

Andriamanitra manjaka amin'ireo firenena
Andriamanitra mitoetra am-piketrahany masina.

Andriam-bahoaka maro no mikambana
amin'ny vahoakan'ny Andriamanitr'i Abrahama

fa Andriamanitra, Andriambaventin'ny tany,
indro voasandratra ambony dia ambony!

Nampiditra j_rahasa
Sokajy Salamo
Fihirana Vaovao p. 180
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1008