Nampakarina any an-danitra i Maria: ravoravo ny tafiky ny anjely

Nampiditra: j_rahasa
Sokajy: Masina Maria,


  • Fihirana Vaovao p. "270

Nampakarina any an-danitra i Maria:
ravoravo ny tafiky ny anjely.

1. Andriambavy mirenty volamena
no mijoro eo ankavananao
Henoy, anaka, mampandria sofina,
hadinoy ny firenenao sy ny tranon-drainao.

2. Tian'ny mpanjaka ny bikanao:
izy no hotompoinao.
Mandroso min-kafaliana
ireo tovovavy manotrona anao
miditra ao an-dapan'ny mpanjaka


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0926 s.] - Hanohana anay