Ilaozy ny tranon'i Kaky, zandry malala ô

1.  Ilaozy ny tranon'i Kaky, zandry malala ô,
Ilaozy ny fasan'i Neny, zandry malala ô,
Razandry malala, malaky: hisantatra ilay zato heny!

2. Ilaozy ny akany nataiza, zandry malala ô,
Ny saha sy ireo heniheny, zandry malala ô,
Ry zandry malalaô, aiza: hisantatra ilay zato heny!

3. Ny zoky nihantahantana, zandry malala ô,
Ny zandry vao miana-miteny, zandry malala ô,
Ilaozy hatreto, haingàna: hisantatra ilay zato heny!

4. Rahefa mipaika ilay ora a a a
Ka tapitra ny andro eto ireny, a a a
Ry zandry malala, mizora: hisantatra ilay zato heny!

Nampiditra j_rahasa
Fihirana Vaovao p. 465
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093