Tompo ô, misaotra izahay, fa eto aminay ianao

Tompo ô, misaotra izahay,
fa eto aminay ianao,
tsy mahasaraka anay.

1. Izao no teny nomeko:
Indro aho afovoanareo
Hatrany am-paravazan-tany,
hatramin'ny mandrakizay.

2. Ny endrika isehoako
ny olona tsy ankanavaka,
Indrindra ireny mijaly,
mahantra sy madinika.

3. Ny teniko eto ihany:
ireny fampianarako
Vakinareo isan'andro,
fa teny mahavelona.

4. Ny endrika isehoako
ilay Mofo velona
mitondra hery sy aina,
sy mampiray anareo.

5. Fanahiko anie no mameno
ny olona be fitiavana;
Mahafoy ny aina ho an'ny tiana?
manjary sorom-belona.

6. Ny endrika isehoako:
fantatro ilay fiangonako.
Mihano azy ianareo,
mihaino ny teniko.

7. Ny endrika isehoako
ny tany aman-danitra:
omeko ha,nampy anareo
ho velona mandrakizay.

Nampiditra j_rahasa
Fihirana Vaovao p. 539
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092