Tsara ny fitiavanao

Tsara ny fitiavanao (tsara ny mihira),
Sy midera ny anaranao (tsara ny midera),
Ka mihira 'lay fitiavanao (tsara ny Tompo),
Fa tsara ianao, ry Tompo (tsara ny Tompo),
Antsa sy dera ho Anao (dera ho Anao).

1. Ianao fitiavana tsisy fetra
Tsy nitoetra tany an-danitra hatrany,
Fa tonga tetý, tonga olombelona
honina eto aminay.
Noho izany.

2. Toy ny kintana alin-kisa,
Nantsoinao amin'ny anarany avy,
Toy izany izahay tonga eto izao.
nantsoinao ho zanakao.
Noho izany.

Nampiditra j_rahasa
Fihirana Vaovao p. 546
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0208