Io mamiratra io ny hazofijaliana

Io mamiratra io ny hazofijaliana:
Ny Zanak'Andriamanitra
mpanjakan'ny mpanjaka anaty voninahitra.
Ô, sambatra aho, ô sambatra aho.

1. Ry Kristy ô, resinao ny fahafatesana,
Fa mahery ianao, velona mandrakizay.

2. Ry Kristy ô, resinao ny fahotana,
Fa mahery ianao, masina mandrakizay.

3. Ry Kristy ô, resinao Satàna,
Fa mahery ianao, Tomponay mandrakizay.

4. Ry Kristy ô, resinao ny fitiavan-tena,
Fa mahery ianao, fitiavam-be mandrakizay.

5. Ry Kristy ô, ny herinao no herinay,
Mba handresy koa, sambatra mandrakizay.

Nampiditra j_rahasa
Fihirana Vaovao p. 548
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0177