O ia ie, Ny Tenin'ny Tompo

Mpitarika: O ia ie, E ia ie (2)
Vahoaka: Ny Tenin'ny tompo.


1- Ampionony ny fon'ny vahoaka, (Vah: Ny Tenin'ny Tompo...)
lazao ao am-pon'ilay Jerosalema, ...
Fa tapitra ny andron'ny fampahoriana, ...
ny ota nataony voavela avokoa, ...
Satria fikapohana in-droa miantoana, ...
no efa nataon'ny Tompo azy ireo. ...
e ny teniny e, ...

2- Injay misy feo manao antso avo :
"Amboary ny làlan-kizoran'ny Tompo :
Ny sakelin-dàlan-drehetra ahitsio,
totofy avokoa ireo lohasaha,
Ireo tendrombohitra mbamin'ny havoana,
ataovy mitovy torosy daholo".
e ny teniny e,

3- Hiseho am'izay ny herin'ny Tompo,
dia 'lay voninahiny ambony tokoa,
Mba samy hahita an'izany avokoa
ny olon-drehetra na iza na iza.
Ny Tompo mahery no efa niteny.
Ilay Zanahary no efa nivolana !
e ny teniny e

4- Injay misy feo manao hoe : "Antsoy" !
dia nisy niteny namaly an'izany :
"Ahoana ny antso 'zay mety hataoko ?
Ahitra ihany ny nofo rehetra."
Koa tahaka ny vony mamelana an-tsaha
ny hatsaran-tarehiny kanto dia kanto.
e ny teniny e

5- Malazo ny vony, mariry ny ahitra,
reh'fa seranin'ny Ain'Izy Tompo.
Dia ahitra ihany ny olo-miaina ;
malazo ny vony, mariry ny ahitra.
Fa tsy mba izany ny Tenin'ny Tompo
fa Teny maharitra mandrakizay.
e ny teniny e.

Nampiditra oliana
Ankalazao ny Tompo p. 311
Fihirana Dera p. 277
Fihirana Hasina p. 58
Fihirana Vaovao p. 529
Vavaka sy Hira p. 403
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0703