Faly sy ravo ao amin'ny Tompo aho e

Faly sy ravo ao amin'ny Tompo aho e,
faly sy ravo ao amin'ny Tompo aho e;
tsy izaho ihany,
fa ireo rehetra manompo, manompo, 
manompo an'i kristy

Sal. 95B) 
1 - Ikaloy 'reo hira vaovao
Ho an'ny Tomponao, ry manan'aina,
Ny fisaorana aoka hanakoako !
    Isan'andro vaky dia torio,
    'Tony vonjy nentiny lazao,
    Mba hande daholo ny eran-tany !

2 - Fa ny Tompo ihany no ambony,
Mahatahotra Izy noh'ny hafa
Ka variana ery ny firenena !
    Tsinontsinona avokoa, rey lahy,
    Ny andriamani-kafa tsy miteny
    F'Izy irery no masi-mandidy !

3 - N'habakaba-manga dia nataony
Ka ny lapa masiny tazano
Fa mitemitra 'lay fahefany !
    Ka omeo ny Tompo, rey vahoaka,
    'Tony hasina sy fahefana
    Mbamy 'reo anaram-panajana !

4 - Ny fanatitrao 'ndeha atolory
Ka ny Tompo masina iankohofy
Fa ny tavany e dia mahajemby !
    Ny tontolo aoka hihararetra
    Fa hilaza dinika ny Tompo
    Ho toriny amy firenena !

5 - He ny Tompo irery no Mpanjaka
'Tony tany : vitany mijoro,
'Zany rariny entiny mitsara !
    Mifalia, ry lanitra sy tany,
    Aoka hidobodoboka ny riaka
    Ka hifaliavanja 'zany saha !

6 - Mandihiza ianao, ry hazo an'ala,
Anoloan'ny Tompo: indro izy
Mba hitsara 'zao tontolo izao.
    'Tony tany itony hozakainy,
    Ny ambanilanitra hotsarainy,
    Hilazany "marina" hatrany.

7 - Koa redony hatrany, rey vahoka,
'Zany antsa hobin-kafaliana,
Ho an'ny Ray Tompom-pahefana.
    Ka ny fihobiana ombàna haja
    Ho an'ilay nandray ny fanjakana,
    Nanome Fanahy ho herintsika.

Nampiditra j_rahasa
Fihirana Vaovao p. 455
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0609