Endrey izany hafaliana, fa velona aina izahay

1. Endrey izany hafaliana,
Fa velona aina izahay;
Tanteraka ny faniriana,
Ka dera ho Anao ry Ray!
Atolotray tokoa ny tena,
Mba ho fanati-tsitrakao,
Satria manaiky sy ekena
Ho tonga olom-baovao.

2. Ny tanindrazanay malala,
Ry Jeso Tompo, anjakao
Hiorina eto, tsy hiala,
Ny fiadanana entinao!
Ny aizin’ota anie hisava,
Ny fahantrana koa handao,
Fa ho tarafin’ny Mazava,
Hanjary tany vaovao.

3. Ny fiangonanao angony,
Fanahy ô, ho tena iray,
Ka tsy hizarazara intsony
Fa Hianao no mampiray.
Dia ho fanasina, fanilo,
Ho an’izao tontolo izao;
Hijoro, tsy handraraka ilo,
Hitafy toetra vaovao.

Nampiditra j_rahasa
Fihirana Vaovao p. 453
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0862