Misy didy tena tsara ‘zay nomen’ny Tompo hoe

1. Misy didy tena tsara
‘Zay nomen’ny Tompo hoe :
Mba mifankatiava tsara,
Hianareo’zay mino e!
:,:Ka miraisa:,:
‘Zao no didy lehibe

2. Tonga Jeso mba hanompo
Sy mba hampihavana;
Tsy mpanaraka ny Tompo
‘Zay tsy tia namana.
:,:Ka tadiavo:,:
‘Zay ho fampiraisana

3. Fa iray tokoa ny Loha
Dia Jesosy Zanaka
Endriky ny Ray Tsitoha,
Izay halaina tahaka.
:,:Tsy ho resy:,:
Raha miray ny tafika.

4. Jeso no Ilay foto-kazo,
Tena voaloboka;
Ka ny sampana halazo,
Raha tafasaraka.
:,:Ikambano:,:
Ka aza mba mihataka.

Nampiditra j_rahasa
Fihirana Dera p. 154
Fihirana Hasina p. 605
Fihirana Vaovao p. 439
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092