Ry Jeso loharanon’aina, izay foto-pahasoavana!

1. Ry Jeso loharanon’aina,
Izay foto-pahasoavana!
Ny fonay toy ny tany maina,
Fenoy fitiavana!
Aidino ao ny tena aina,
Mba hampifankatia anay,
Fandrao ho tonga very maina
Ny fitiavanao anay.

2. Ny hasomparana levony
Soloy fitiavana;
Ny lolompo ampijanony
Ho tia fihavanana
Ny fo malaky mankahala
Ovay ho tia namana;
Ampianaro hahalala
Ny didim-pitiavana

3. Toroy sy ampianaro
Ny fitiavanao zahay;
Mpiandry tsara o, velaro
Ny fonao mba ho hitanay
Mba ho tarafiny tokoa
Ny fonay mbola maizina,
Ka samy hifanisy soa
Sy hifamela heloka.

Nampiditra j_rahasa
Fihirana Vaovao p. 438
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091