Avia, banjino ny voninahitr'i Kristy

Avia, banjino ny vonanihitr'i Kristy
Ilay Mpanjakantsika. Aleloia.
Ilay Mpanjakantsika. Aleloia.

1. An'ny Tompo avokoa ny tontolo sy ny hareny.
Ny tany sy ny mponina ao aminy rehetra.

2. Fa Izy no nanorina azy ambonin'ny ranomasina,
Sy nampitoatra azy ambonin'ny rano.

3. Ka zovy no hiakatra ny vohitry ny Tompo?
Ary iza no hijoro an-toerana masina?

4. Izay madio tanana sy izay mazava fo.
Ary izay tsy manankina fananhy amin'ny sampy.

5. Izay tsy mianiana hamitaka ny hafa:
Hahazo tso-dranoo avy amin'ny Tompo izy.

6. Hahazo fahamarinana avy amin'Andriamanitra
Dia ilay Andriamanitra Mpamonjy azy.

7. Izany no vahoakan'izay mikaroka Azy.
Mikaroka ny tavan'Andriamanitr'i Jakôba.

8. Ianareo varavarana, andrao ny tatao.
Miandrà ianareo varavaram-pahagola!

9. Ny Mpanjakan'ny voninahitra hiditra eo!
Fa iza io Mpanjakan'ny voninahitra io?

10. Ny Tompo Mahery tsy resy resena.
Ny Tompo tsy resy resena amin'ny ady!

11. Ianareo varavarana, andrao ny tatao,
Miandrà ianareo varavaram-pahagola!

12. Ny Mpanjakan'ny vonnanihtra hiditra eo!
Fa iza io Mpanjakan'ny voninahitra io?

13. Ny Tompo Andriamanitra: Tompon'ny tafika
Eny, Izy no Mpanjakan'ny voninahitra

14. Ny Mpahary Raintsika sy i Kristy Mpanjaka,
Ny Fanahy Mpanamasina, omeo voninahitra!

Nampiditra j_rahasa
Sokajy Aleloia
Ankalazao ny Tompo p. 0
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095