Samia mihira ho an'Andriamanitra

Samia mihira ho an'Andriamanitra
izay niakatra any an-tampon'ny lanitra,
any amin'ny fiposahan'ny masoandro.
Aleloia.

(Sal. 46)

1. Ry vahoaka rehetra, mitehafa tanana,
   miderà an'Andriamanitra, manaova hobim-pifaliana:
   fa mahatahotra ny Tompo avo indrindra
   mpanjaka lehibe amin'ny tany tontolo.

2. Andriamanitra miakatra arahaina hoby,
   misandratra amim-peon'anjomara:
   antsao ny Tompo, antsao,
   hobio ny mpanjakantsika, hobio.

3. Mpanjakan'ny tany tontolo Andriamanitra,
   koa hobio aminn'y antsa mirindra:
   Andriamanitra manjaka amin'ireo firenena,
   mitoetra amin'ny fiketrahany masina

Nampiditra j_rahasa
Fihirana Vaovao p. 147
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015