Hirao ka hobio ny anaran'ny Tompo, aleloia

Hirao ka hobio ny anaran'ny Tompo: aleloia

1. Manome hasina Anao aho, ry Andriamanitra mpanjaka,
   midera ny anaranao, ry ilay tsy manam-pahataperana:
   misaotra anao isan'andro isan'andro,
   sy mankalaza ny anaranao mandrakizay.

2. Antra sy mangoraka ny Tompo,
   be hatsaram-po, tsy malaky tezitra;
   tsara fo amin'ny olon-drehetra,
   be fitiavana amin'ny ataony.

3. Tompo ô, midera anao ny asanao rehetra,
   misaotra anao ny mpivavaka:
   mankalaza ny voninahitry ny fanjakanao izy ireo,
   mankasitraka ny asan-tananao.

4. Ampahafantarinay ny olona ny asanao
   sy ny voninahitry ny fanjakanao:
   mandrakizay tokoa ny fahefanao,
   eran'ny taona rehetra ny fiandriananao.

5. Marina sy mahatoky ny tenin'ny Tompo,
   manambara fitiavana ny asany.
   Izy manohana izay rehetra ho lavo,
   mampitraka izay mitanondrika.

Nampiditra j_rahasa
Sokajy Salamo
Fihirana Vaovao p. 141
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0186