Ry Ray ô, Ianao no anjarako ary lovako mandrakizay

Ry Ray ô, Ianao no anjarako
ary lovako mandrakizay;
Velomy, arovy ity zanakao
matoky ny fitiavanao.

(Sal. 15)

1. Andriamanitra Tompo ô, ambeno,
Fa Ianao re no hany ifefeko,
Hasambarako tokana an-tany.
2. Tsy mba sitrakao intsony tokoa
ireo masina, tompo eto an-tany.
Manandevo 'zay matoky azy.

3. Ary koa 'reny sampy hamaroina,
tsy hanaovako sorona intsony.
Tsy hotononiko anarana akory.
4. Ianao re, ry Tompo, no lova,
hany zarako mandrakizazy;
Toeran-tsoa no natokana ho ahy.

5. Ka isaorakao, Tompo, ianao,
fa nanolotra saina, fanahy,
sy nanoro ny foko hatrany.
6. Eo alohako foana ny Tompo,
tsy hiala ankavanako izy,
Ka hisaorako mandrakizay.

7. Tsy omby tratra tokoa ny hafaliana,
'zay mameno ny foko tontolo,
sy manenika 'zato fanahy.
8. Ka ny nofoko mandry amin-toky,
Fa tsy foinao ho levona ny aiko,
ny olon-tianao tsy foinao ho faty.

9. E! ny lalan'ny fiainana izao,
dia hatoronao ahy hatrany,
Ka nameno hafaliana ny foko.
10. Ho finaritra mandrakizay
'zay mitoetra eo ankavananao,
Hasambarana tsy mety ritra.

11. Zanakao no hankany aminao,
mba hanomana lapa ho anay,
Hideranay ny fitiavanao.

Nampiditra j_rahasa
Sokajy Salamo
Fihirana Vaovao p. 116
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1355