Ho voninahitra ho an'ny Raiko tokoa ianareo

Ho voninahitra ho an'ny Raiko tokoa ianareo,
raha mamoa be ny vokatry ny Fanahy.
ary ny vokatry ny Fanahy dia fiatiavana,
fifaliana, fiadanam-po.

(Sal. 91)
 
1 Tsara ny misaotra anao, ry Tompo,
 Miantsa ny anaran'ny Avo indrindra;
 Ny hatsaram-ponao raha vao maraina,
 Ny fahamarinana nony alina.
 
2 Dia am'tory folo sy valiha
 Ravahan-kalokalo sy lokanga;
 Ka faly aho mahita ny asanao,
 Sy ravo noho ny vitan-tananao.
 
3 Akory fa lehibe ny vitanao,
 Mba lalina rah'ny fisainanao!
 Ny tsy ampy saina no tsy mahalala,
 Adala foana ireo tsy mahatsapa.
 
4 Mahomby sady faly ve ny ratsy?
 Dia rariny avokoa ve 'zay ataony?
 Tsy ho ela dia ho ringana izy ireny,
 Ianao, manko, Tompo tena avo.
 
5 'Reo fahavalonao jereo fa toro!
 Mihanaka avokoa ny olon-dratsy;
 F'izaho nihanatanjaka aoka izany,
 Satria voahosotrao ka manan-kery.
 
6 Bandriniko tokoa ny fahavalo,
 Ary henoko avokoa ny teti-dratsy;
 Ny marina maniry toa antrendry,
 Dia tahaka ny sederan'i Libàna.
 
7 Maniry ao an-tranon'izy Tompo,
 Dia ao an-kianjan'ny Andriamanitsika;
 Hamokatra na dia efa antitra aza,
 Misondrotra tokoa ny tsiron-kazo.
 
8 Izany dia mitory fa mahitsy
 Ny Tompo Vatolampy tsy mikoro;
 Ny rariny misoritra ho lalàny,
 Ny hitsiny no tokana tandroiny.
 
9 Fa tsara ny misaotra anao, ry Ray,
 Ny zanaka 'zay loharanon'aina,
 Fa tsara koa ny miara-mankalaza,
 Mihoby anao Fanahy 'zay mankahery.
 

Nampiditra j_rahasa
Sokajy Salamo
Fihirana Vaovao p. 261
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0331