Ilay tsiambaratelo niafina hatrizay

Ilay tsiambaratelo niafina hatrizay
no indro ankehitriny fa naboraka
mba ho fantatry ny firenen-drehetra
dia i Jesoa Kristy Tompontsika.
 

1 'Ndeha hisaorana ny Tompo Andriamanitr'Israely
   Fa namangy sy nanavotra ny olony tokoa:
   Indro tandro-pamonjena no najorony ho antsika,
   Dia avy amin'ny taranak'i Davida 'lay mpanompony.

2 Fa izany rahateo no nambarany hatrany
   Tamy vavan'ireo Mpaminany masiny fahiny:
   Hovonjeny amy fahavalontsika manko isika
   Sy halàny avy eo an-tanan'ireo mpankahala antsika.
 
3 Indro asehony fa namindrany fo ny Razantsika
   Ka tandrovany ny fanekena masina nataony,
   Velirano tsy mifody, fianianana tsy miova,
   Dia amin'i Abrahama Razambe iombonantsika.
 
4 Fa isika hoe halàny avy eo an-tanam-pahavalo,
   Fa tsy tiany hanompo Azy amin-tahotra isika
   Fa ho amy toetra masina sy marina tokoa
   Eo imasony, mandritra ny andro rehetra iainantsika.
 
5 Fa ianao kosa , anaka, dia indro fa izao
   Dia atao hoe Mpaminanin'Izy Tompo Avo indrindra,
   Fa hizotra eo alohan'Izy Tompo Tompo manko ianao
 
6 Hahafahanao mamboatra izay lalana hombany,
   Dia hatoronao ny olony ny tena famonjena:
   Famelana ny hadisoany sy ny heloka nataony!
 
7 Fa satria Izy Andriamanitra namindra fo tokoa,
   Ka nandefa ilay masoandro hamonjy antsika avy any ambony,
   Dia masoandro miposaka fanilo manazava...
 
8 Manazava 'reo 'zay monina ao anaty haizim-pito
   S'ireo difotry ny alo-pahafatesana manara
   Famy lalam-piadanana no hitondrany antsika!

Nampiditra j_rahasa
Ankalazao ny Tompo p. 339
Fihirana Hasina p. 290
Fihirana Vaovao p. 45
Vavaka sy Hira p. 433
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094