Ô ry Maria ô, voatendrin'Andriamanitra handova ny fiketrahan'i Davida razambeny

Ô ry Maria ô,
Voatendrin'Andriamanitra
Handova ny fiketrahan'i Davida razambeny,
Ny Zanakao,
Ka tsy hanam-pahataperana ny fanjakany.
 (Lk. 1, 32a-33)

(Lk. 1, 46-55)
 
1 Ny foko midera ny Tompontsika,
 Ny saiko mifaly amin'Andriamanitra
 Noho izy Mpamonjy nitsinjo ahy
 'Lay mpanompovaviny tsinontsinona.
 
2 Fa indro manomboka ankehitriny
 Hantsoin'ny taranaka: "Sambatra" aho:
 Nahavita be tamiko ilay Mahefa,
 Ilay hoe "Ny Masina no anarany".

3 'Lay mandrakizay ny indrafony
 Amin'ny olon-drehetra matahotra Azy,
 'Lay Tompo Mpandresy mahery sandry,
 Mampihahaka ireo 'zay mpiavonavona.
 
4 Manongana ireo izay mpanjakazaka
 Kanefa manandratra ireo ambany;
 Manototra soa an'ireo noana
 Fa mampody maina an'ireo mpanana.
 
5 Mpanarina an'i Israely olony
 Satria mahatsiaro ny indrafony
 Nampanantenainy ny razantsika
 Ho an'i Abrahama sy izay taranany.
 
6 'Lay Ray be fitiavana mba derao,
 Hobio 'lay Zanany tonga nofo,
 Ary koa 'lay Fanahy mampiray antsika,
 Ho mandrakizay alaovalo!

Nampiditra j_rahasa
Ankalazao ny Tompo p. 310
Fihirana Vaovao p. 24
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095