Ray ô, misaotra Anao aho satria Ianao nihaino ahy

Ray ô, misaotra Anao aho
satria Ianao nihaino ahy

(Jn. 11, 41)

1. Tompo ô, ny mpanjaka mifaly amin'ny herinao
Sy miravo aoka izany amin'ny fandresenao.

2. Izay irin'ny fony omenao;
ny vavaky ny molony tsy lavinao.

3. Tsenainao tsodrano mahasambatra izy;
ny lohany asianao fehiloha volamena.

4. Ny fiainana angatahiny omenao;
dia andro mitandavana mandrakizay.

5. Lehibe ny voninahiny noho ny fandresenao;
fiandrianana sy laza no arakotrao azy.

6. Ataonao fitsodrano mandrakizay izy,
fenoinao hafaliana eo anoloanao.

7. Matoky ny Tompo ny mpanjaka,
sy tsy mandao ny hatsaram-pon'ilay Avo.

8. Ny tananao mahatratra ny havalony rehetra,
ny havananao mahatratra ny mpankahala azy;

9. hataonao anaty memy mirehitra ireny
amin'ny andro hisehoanao.

10. Ny terk'ireny halànao amin'ny tany,
ny tarananay... amin'ny zanak'olombelona.

11. Nikasa hanisy ratsy Anao ireny;
nifofo nanao tetia, fa tsy nahomby.

12. Ka ataonao miamboho,
sy anenjananao tsipìka.

13. Misandrata, ry Tompo, amin'ny herinao.
Izahay mihira sy miantsa ny fahefanao.

Nampiditra j_rahasa
Sokajy Salamo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096