Natao batemy isika tao amin'i Kristy Tompo

Natao batemy isika tao amin'i Kristy Tompo,
fony izy maty sy nitsangana ho antsika.

(Rom. 6, 3-4)

Fony nandao an'i Ejipta i Israely,
an'ilay vahoaka lozabe ny tranon'i Jakoba.

I Joda tonga toerany masina,
i Jordany nanao dia mianòtra;

ny vohitra niantsambotra toa osilahy;
ny havoana toa zanak'ondry.

Ahoana ianao no mandositra, ry ranomasina?
ary i Jordany no manao dia mianòtra?

ny vohitra no niantsambotra toa osilahy?
ny havoana no toa zanak'ondry?

Mangovita, ry tany, anoloan'ny Tompo:
anoloan'ny Andriamanitr'i Jakoba:

Ilay nanova ny vatolampy ho farihy
sy ny karao--bato ho loharano!

Nampiditra j_rahasa
Ankalazao ny Tompo p. 18
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0221