Fiekem-pinoana, 'Zaho mino (tononina)

Izaho mino an'Andriamanitra tokana,
Ray mahefa ny zavatra rehetra,
nanao ny lanitra sy ny tany
ary ny zavatra rehetra
na ny hita maso na ny tsy hita.

Izaho mino an'i Jesoa Kristy Tompo tokana,
Zanaka lahitokan'Andriamanitra,
teraky ny Ray
talohan'ny taona rehetra.

Andriamanitra avy amin'Andriamanitra,
fahazavana avy amin'ny fahazavana,
Andriamanitra marina
avy amin'Andriamanitra marina.

Nateraka Izy fa tsy natao,
iray fomba amin'ny Ray, 
ary Izy no nahariana ny zavatra rehetra.

Isika olombelona
sy ny famonjena antsika
no nidinany avy any an-danitra.

Ary naka nofo tamin'i Maria Virjiny Izy, 
noho ny herin'ny Fanahy Masina,
ka tonga olombelona.

Nofantsihana tamin'ny hazofijaliana
ho antsika indray koa,
tamin'ny andron'i Pontsy Pilaty,
nijaly ary nalevina.

Nitsangan-ko velona tamin'ny andro fahatelo,
araka ny voalazan'ny Soratra Masina,
niakatra any an-danitra, 
dia nipetraka eo an-kavanan'ny Ray.

Mbola ho avy amim-boninahitra indray,
hitsara ny velona sy ny maty,
ary tsy hanam-pahataperana ny fanjakany.

Izaho mino ny Fanahy Masina,
Tompo sy loharanon'aina,
avy amin'ny Ray sy Zanaka.

Tsaohina sy omem-boninahitra
miaraka amin'ny Ray sy ny Zanaka,
ary niteny tamin'ny vavan'ny mpaminany.

Izaho mino ny Eglizy,
Iray, Masina, Katôlika, Apôstôlika.

Izaho mankatò ny batemy tokana
ho fanalana ny fahotana.

Ary izaho miandry ny hitsanganan'ny maty
sy ny fiainan-ko avy.
Amen

Nampiditra j_rahasa
Fihirana Hasina p. 6
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.09