Endrey, mba sambatra aho sy finaritra

Endrey (ry Tompo ô),
Endrey, mba sambatra aho sy finaritra
Fa Ianao no miahy sy mitantana ahy,
(Mba sambatra aho sy finaritra)
Fa Ianao no miahy sy mitantana ahy.

1. Tsy mamafy e (kanefa mihinana)
'Rony vorona e (tsy manao an-tsompitra)
Nefa ireny e nataonao ho ahy,
Ka nahoana re aho no hanahy?

2. He ny ahitra (tsara famelana)
Tsy miahy (ny ampitso ho maina)
Nefa ireny e nataonao ho ahy,
Ka nahoana re aho no hanahy?

3. Tsy hijanona e (izahay, ry Tompo)
Fa hikatsaka e ('zay hivelomana)
Nefa ireny e nataonao ho ahy,
Ka nahoana re aho no hanahy?

Nampiditra j_rahasa
Fihirana Vaovao p. 62
Vavaka sy Hira p. 438
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0656