Namoaka didy ny mpanjaka

Namoaka didy ny mpanjaka
Fa tsy maintsy soratana
ny anaran'olona eran-tany.
Saingy ilay Zaza vao teraka
tao an-tranon'omby
Mpanjakan'izao tontolo iza.

(Jer. Lk. 2, 1)

(Sal. 109)
 
1 Hoy Andriamanitra tamin'ny Tompoko:
 Avia mipetraha eto ankavanako
 Ho mandra-panaoko ny fahavalonao
 Ho tonga fitoeran'ireo tongotrao.
 
2 Ny tehinao mahery hahinjitry ny Tompo
 Avy ao Siôna, avy any an-danitra;
 Koa dia manjakà ary koa mandidia
 Hatreo ampovoan'ny fahavalonao.
 
3 Anao ny fiandrianana hatram'ny vao teraka,
 Fa masina ianao, ary enim-boninahitra
 Manerana ireo tendrombohitra masina
 Sy voatsodrano hatrany am-bohoka.
 
4 Izao no fianianana avy amin'ny Tompo:
 "Ianao dia Mpisorona mandrakizay,
 Ka toy ny fanaon'i Melkisedeka"
 Nianiana ny Tompo ka tsy mba hanenina.
 
5 Ny Tompo hijoro eo ankavananao,
 Ho vinitry ery hanamongo mpanjaka;
 Hisotro am'ny riaka eny an-dalana izy,
 Hitraka ny lohany, hijoro mahitsy.
 
6 Derao ny Ray be fitiavana antsika,
 Ny Tompo nandresy ny fahafatesana,
 Derao ny Fanahy nananganana antsika,
 Ho mandrakizay ka ho mandrakizay.

Nampiditra j_rahasa
Sokajy Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 342
Fihirana Vaovao p. 320
Vavaka sy Hira p. 335
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0597