Sambatra izay mitana ny didin'i Iaveh

Sambatra izay mitana ny didin'i Iaveh.

(Sal. 111)
 
1. Mba sambatraizay mahitsy fo
Manao ny marina.

2. Fa ny soa sy fanambinana
no ao an-tranony.

3. Mamiratra amin'ny haizina
ny olo-marina.

4. Haharitra re ny marina
Tsy hiova mandrakizay.

5. Fa tsy mba hangozohozo
Tsy hirona mandrakizay.

6. Finaritra re ny fony
Miorina an-danitra.

7. Dia tony ny fon'ny marina
Fa tsy mba hatahotra.

8. Ka sambatra izay miantra
Mahay mamindra fo.

9. Ny ratsy mialona azy
Fa foana levona.

Nampiditra j_rahasa
Sokajy Salamo
Vavaka sy Hira p. 340
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0506