Tongava, tongava anoloan'ny Tompo amin-karavoana

Tongava, tongava anoloan'ny Tompo amin-karavoana.

(Sal. 94)

Ry vahoaka voafidy,
Voafidin'Andriamanitra,
Avia hitsaoka ny Tompo,
An'ilay Filoha sy Mpiandry anao.
 
1 Avia mifalia ka hobio ny Tompo,
 Ilay vatolampy sy vonjintsika.
 
2 Andeha mankeo anoloany hisaotra,
 Hihira sy hiantsa ary hankalaza azy.
 
3 Fa izy Andriamanitra sady Tompo,
 Mpanjakan'ireo andriamani-kafa.
 
4 Ny atin'ny tany eo am-pelatanany,
 Ny tampon'ny vohitra azy koa.
 
5 Nataony ka azy ny ranomasina,
 N'tanety azy koa fa asan-tanany.
 
6 Avia miondreha ary miankohofa
 Hitsaoka ilay Tompo nanao antsika.
 
7 Fa izy no tena Andriamanitsika,
 Isika vahoaka sy ondry fiandriny.
 
8 Hihaino azy ve ianareo anio?
 Fa izao no ambarany sy lazainy:
 
 9 Aza dia mafy fo toy ny tany an'efitra,
 Toy ny tany Masà sy tany Meriba.
 
10 Ny razanareo dia nitsapa ahy!
 Kanefa nahita ny asa vitako.
 
11 'Ty taranaka ity efapolo taona
 Dia nahatofoka ahy, nahatezitra ahy.
 
12 Vahoaka mpaniasia tokoa ity,
 Tsy mety hahalala ny tena lalako;
 
13 Koa tezitra aho ka nianiana
 F'ireto tsy hiadana miaraka amiko.
 
14 'Ndeha isika hisaotra ny Tompontsika,
 Ny Ray be fitia 'zay nifidy antsika.
 
15 Ny Zanany nentiny niantso antsika,
 Fanahiny kosa nomeny antsika!

Nampiditra j_rahasa
Sokajy Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 52
Vavaka sy Hira p. 326
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099