Ny hasambarana valo

Nony nahita ny vahoaka i Jesoa, dia niakatra teo an-tendrombohitra,
ary rehefa tafapetraka izy, dia nanatona azy ny mpianany,
ka niloa-bava izy nampianatra azy ireo, nanao hoe:

Sambatra ny mahantra am-panahy, fa azy ny fanjakan'ny lanitra.

Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany. 

Sambatra izay mitomany, fa halàna alahelo. 

Sambatra izay noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa ho voky izy.

Sambatra ny mamindra fo, fa hamindrana fo izy . 

Sambatra ny tia fihavanana, fa hantsoina hoe zanak'Andriamanitra izy. 

Sambatra ny ny miaritra fanenjehana noho ny rariny, fa azy ireo ny fanjakan'ny lanitra. 

Sambatra ianareo raha tevatevaina sy enjehina ary ampangaina lainga amin'ny ratsy rehetra noho ny amiko: 

Mifalia sy miravoravoa ianareo, fa ny lehibe valisoanareo any an-danitra.

Nampiditra j_rahasa
Fihirana Hasina p. 833
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0696