Ireo zavaboaary (Kyrie eleison!)

1. Ireo zavaboaary nomenao hozakainay... Kyrie
Nosimbainay, nopotehinay, nodoranay,
Na rano izany na rivotra na tany,
Ny zava-manana aina izao efa mila ho ringana,
'Reo taranakay ihany no finganinay,
Ka mifona re 'zahay e!
Kyrie eleison!

2. Ireo ory tsy havan'ny manana... Kriste
Ny samy maka ho azy indray no nampanjakainay,
Ny olombelona avy ataonay tsinontsinona,
Hararaotinay tsy mba misy fandeferana,
Sahinay hatramin'ny mifofo aina,
Ka mifona re 'zahay e!
Kriste eleison!

3. Ny fampianaranao tsy notandremanay... Kyrie
Na ny vavaka aza nohamavomavoinay,
Ny fitiavanao dia tsy mba niainanay:
Fa lolom-po no mibaiko ny fiainanay,
Nefa ianao efa nahafoy ny Ainao ho anay.
Ka mifona re 'zahay e!
Kyrie eleison!
Nampiditra j_rahasa
Sokajy Fifonana
Fihirana Hasina p. 821
Karine Dera p. 421
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0682